
TANTARA NIATOMBOHAN´NY FIKAMBANANA
- 2012:
Taona namohazan'Andriamanitra ny olony. Mpinamana mifamangy week-end tao Frankfurt, izay tonga saina fa ilaina ny mifampitondra ambavaka.
Noely 2012- Ankizy namana maro nasaina tao an-tokatrano iray
hiaraka hankalaza Krismasy miaraka fa indrindra hiaraka hivavaka. Notarihin´i Ramatoa kely Eva Mireille Rastimbason ny fotoana.
- 2013:
Nitohy teny @ parc niaraka t@ namana izay sendra nandalo koa ny fiarahana mivavaka. Ny 25 Avril 2013 no niantombohan'ny Fotoam-bavaka Malagasy ho fahatsiarovana ny fitsingerenan´ny taona nahaterahana. Mpanompon'Andriamanitra mpiandry avy any Madagascar nitondra izany fotoana izany dia Rasoazanatsoa Yvette Aurore. Nitohy nanomboka Teo isak'alahady ny fotoam-bavaka sy fanaovana asa sy fampaherezana.
Nitombo ny mpiara-mivavaka, ary nanomboka nitady toerana matotra hiarahana mivavaka sy mpanompon'Andriamanitra voahosotra hitondra ny fotoam-bavaka.
Tanjon'ny Mmkf fototra:
Fiarahana mivavaka Kristiana iraisam-pinoana, izay tsy hanavahana finoana Kristiana fa IRAY daholo ihany isika ao amin´i Jesosy Kristy
Ho an'Andriamanitra Irery anie ny Voninahitra hatramizay ka Ho mandrakizay.
Eva Mireille RATSIMBASON.
